Manangona ny pejy ilaina Aho...

Fidinana ifotony nataon’ireo komity miady amin’ny doro tanety

Tafiditra ao anatin’ireo firenena tena iharan’ny fiovaovan’ny toetrandro i Madagasikara. Nanamarika dingana lehibe amin’ny famolavolana paikady samihafa hamahana ity olana ity sy hampihenana izany eto amintsika ity fifanarahana ity. Anisan’izany ny famitana ny drafi-pirenena momba ny fiovan’ny toetrandro (PNA) tamin’ny taona 2021, ny fanavaozana ny Politika nasionaly hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (PNLCCC) ary ny famitana ny fandraisana anjara faharoa voafaritry ny firenena (CDN2) tamin’ny taona 2022.

Mba hahazoana  famatsiam-bola avy amin’ny Green Climate Fund (GCF), dia nisy ny atrikasa namolavolana drafitra stratejika natao hiantohana ny fahazoana famatsiam-bola avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ary koa ireo mpiara-miombon’antoka manolo-tena amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. ny 24 aprily 2024. Ny FAO, mpiara-miombon’antoka nahazo ny fankatoavana avy amin’ny GCF momba famatsiana vola, dia miara-miasa akaiky amin’ny minisitera amin’ny tanjona hampitomboana ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara amin’ny GCF amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa natao hiadiana sy manalefaka ny vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro.

Efa nisy tetikasa sasany toy ny “Tetikasa Sustainable Landscape of Eastern Madagascar” nahazo tohana ara-bola avy amin’ny GCF.

 

Tsy azo lavina anefa fa mbola tsy ampy ny famatsiam-bola natokana ho an’i Madagasikara, izay manamarina ny fampiharana io paikady iombonana io.